Dikan'ny teny : indray

Hampiditra dikany vaovao
1 p.mt: Fanindroany: Toa mbola miteny indray ialahy? i Mbola vao mainka: Norarany tsy hisotro ny zanany, nefa izy indray no nivongika tavoahangin-java-pisotro 44 avy any. i Miaraka: Ahitsio
2 nientana izahay rehetra nihoby ireo mahery fonay. * F.-p.: Indray andro mahamay; indray andro manenjana; indray andro maninjitra: ny tontolo andro manomboka ny maraina ka mandrapaharivan'ny andro, indray andro tontolo. j Indray ma-ka, indray màlaka, indray mitoraka: indraika tsy misy fanampiny, ilazana fanaovanjavatra tokana tsy misy famerenana. j Indray mahamasa- bary: halavam-potoana mitovy amin'ny fotoana ahamasahan'ny vary andrahoina (eo amin'ny antsasak'adiny eo). j Indray mahamasa-patsa: halavampotoana mitovy amin'ny ahamasahan'ny patsa andrahoina (eo amin' ny fahefatr'adiny eo). j Indray mipy maso: fotoana kely mihelina, vetivety. j Indray mitono valala: halavam-potoana mitovy amin' ny fotoana ahamasahan'ny valala atono amin'ny afo (eo amin'ny roa minitra eo). / Indray mandingana: ny elanelan'ny fifindran'ny tongotra havia sy havanana. / Indray mitoraka: halaviran-tany mety ho tra-toraka (eo amin'ny dimampolo metatra eo). / Indray mihira: mitovitovy taona, niaraha-nilalao, niarabelona. * Ohan.: Omby indray man-dry tsy indray mifoha: na dia olona iray raharaha na iray fianakaviana izao aza, mety tsy ho tonga miaraka amin'ny foto ana iray. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel