Dikan'ny teny : jejilava

Hampiditra dikany vaovao
1 (souaheli: dzedzy) a.: Tahon-kazo marotsaka sahabo ho 2 metatra asiana tadiny mihenjana toy ny tsipika, ka voatavo maina no afatotra eo akaikin'ny tendrony ambany; somary sarotsarotra ihany ny fampiasa azy: ny tanana havia no mihazona azy mijoro mahitsy, ka ilay voatavo dia aankina amin'ny kibo na somary ahataka kely mba hampigobona kokoa ny feony; ny fanondro havia amin'izay atehika amin'ny tadiny raha tiana hiakatra kely ny feony; ny tanana hava-nana kosa mipaika ny tadiny amin'ny tsora-kazo kely sady misy korintsana fihinin'ny ankibikely. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel