Dikan'ny teny : ka

Hampiditra dikany vaovao
1 ppt.: Enti-mampitohy teny roa sady manisika ireto hevitra samihafa ireto: 1) Hevitra milaza fa vokatry ny asa voalazan'ny teny voalohany ilay faharoa: Nihazakazaka izy ka lavo. (Matetika no ia lohan'ny hoe "hany" ny "ka" amin'io hevitra io: Nihinam-boankazo manta izy hany ka narary kibo. 2) Ny hevitra hoe "ary dia": Ta hahita azy ianao ka io izy manoloana anao. 3) Ny hevitra hoe "ary rehefa avy eo": Nanatona azy izy ka nanao taminy hoe. 4) Ny hevitra hoe: "nefa, tsy ara-ka ny nampoizina": I Manga no nantsgina ka i Ako no namaly. • p.mt.: Famintinana ny hoe "koa" izay manan-kevitra hoe: "noho izany, araks izany": Maika a-ho ka izay hevitrao lazaina haingana / Efa vonona aho, ka amboary ny entanao fa hiainga isika. rt 1) Kian-teny kely fametraka eo aorian'ny teny entina toa mitanisanisa asa misesy: Nokapohiko ka, nodarofako ka, norehetako ka, tsy naveiako raha tsy nangorangorana; 2) ao aorian'ny fehezankevitra fohy, ka enti-milaza fiangaviana, fitalahoana: Ahy iny ka! Mifona aho ka! Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel