Dikan'ny teny : katra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazan-daolao fanaon'ny vehivavy sy ny ankizy: misy lavaka boribory maromaro laha-droa mifanitsy, ka vato roa isan-davaka no atao aminy; afindra zaraina amin'ny lavaka tsirairay ireo ka misy fotoana ahazoan'ny mpilalao ny vaton'ny an-kilany mifanitsy amin'ny azy; izay mahatapitra ny vaton'ny anankiray aloha ara-ka izany no mandresy. Ahitsio
2 a.: Korintsana vita amin' ny kapoaka na hoditra avy amin'ny tongotr' omby ka nasiana vato kely na voan-javatra madinika; fampiasa eo amin'ny dihy ny katra miaraka amin'ny zavamaneno ha-fa; ahontsankontsana koa izy atao fanairana ny fody na famporisihana ny omby rehefaman osy tanimbary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel