Dikan'ny teny : katsaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fitadiavana (zavatra ambony na sarotra azo). I t.l.f.: Katsahina, akatsaka, voakatsaka, kinatsaka I mikatsaka, fikatsaka, mpikatsaka 1 ikatsahana, fikatsahana mahakatsaka 1 katsakatsaka 1 mikatsakatsaka, fikatsakatsaka, mpikatsakatsaka / ikatsakatsahana, fikatsakatsahana / mahakatsakatsaka. Ahitsio
2 a.: Karazan-javamaniry misy babiny, izany hoe mitangorona amin'ny sampahony maro ny voany madinika izay fihinana tsara rehefa avy nandrahoina. - F.-p.: Katsa-drahana: katsaka andrahoina amin'ny taolany, dia ahahy, ary rehefa mailla, kofoina hiala canin' ny taolany dia tehirizina, ka rehefa hohanina vao totoina sy andrahoina indray. / Manahy katsaka: manahy nify, mivan ika. — ( * Ohab.: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka: enti-milaza olona be hambo amin'ny zavatra madinika. / Miaramila be nify tsy mandaio katsa-maina: olona tsy mba sarotsarotiny fa vonona ny hanao na hihinana izay azo atao na hanina. I Tsy sasa-poana akory ny katsaka ela nihantonana fa niandry vanin-taon haniriana: ilazana ny olona nahita voka-tsara amin'ny fiandrasana e1a fa tsy mba maimaika nanao zavatra tsy amin'ny fotoanany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel