Dikan'ny teny : kely

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy lehibe, madinika: Trano kely no ipetrahanay. • Tsy be, vitsy, tsy firy: Kely ny isan'ny mpianatra tonga. • Manify, mezaka: Kely ny vahan'io olona io. • Fohy zeny: Lazain'ny mpitantara fa olona kely, hono tzany uazimba izany. - t.i.f.: Hakelezina, voakely / manakely, fanakely, mpanakely / anakelezana, fanakelezana 1 mahakely, mihakely 1 kelikely / hakelezana. - F.-p.: Kely ray: ilazana ny lehilahy fohy. / Kely reny: ilazana ny vehivavy fohy. / Kely ambaitra: malemilemy ka mila fitandremana fatratra. ¶ M.h.: Saro-pady. /Kely antitra: ilazana ireo olona botry sy fohy nefa efa be taona. / Kely boritika: madinika dia madinika. / Kely fan tatr'olona: anaranailazan' ny olona ny kary. / Kely hiratrq kely hoho: entin'ny olona hilazana ny kahidy sy tena mahihitra. / Kely aizana: enti-milaza zaza mbola kely nefa bevohoka sahady ny reniny. / Kely sisa: ny kely mbola tsy vita amin'ny raharaha ary ilazana koa ny volana madiva ho tapitra. / Manao kely tsy mba mamindro: enti-milaza ny fahefana tsy miraharaha ny kely fa manifikifika fotsiny amin'ny hery ananany. / Manakely loa-bary: mampihena ny anjara sakafo noho ny fitsitsiana. ¶ M.h.: (olona) Kely ray, kely reny, kely endaka, kambity, kambitry, tsingetana, botity, bija, bitika, boleta, bozeta, bozeny, mafy kely, vatokely, madinika, majinika, hetry, botry, katita, aketalahy, tsampirano, tapak' amponga, nihinan-tain'orona, tsapitika. Kely dia kely: Kely bitika, kely bilitika, kely botitika, kitfka, kitsika, kitsitsika, tsintsina, ankanofisana, indray manila, rano an-kitsak'akoho, ohatra ny ivy, pitiny kely, sombiny kely, ilany kely, ambilombazana, sily, hoho, silakoho, tapany kely, piny kely, motiny kely, ambiny kely. Kely sisa tsy nahavoa: Ambivitra, avivitra, kely viviny, vaxiraiventy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel