Dikan'ny teny : kenda

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Misy zavatra mibahana ao anaty tenda ka manjary sempotra tsy afamiaina: Kendam-bomanga i Lita kely ka nivontirika ny voamasony. • Voageja, voatery mafy, voafihina ny Mn-da: Kenda aho fa vahao ny bokotry ny vozon'akanjoko. •Enti-milaza zavatra, fantsona na lakan-drano, izay tsentsina na tampina ka tsy mamela handeha izay asisika na alefa ao anatiny: Kenda ny basy ka tsy mety mandeha ny fahana. 1 tif: Kendaina, akenda, voakenda, kinenda 1 manenda / manakenda, fanakenda, mpanakenda / anendana, fanendana / anakendana, fanakendana 1 mahakenda. - F.-p.: Kenda tsintsina: fanakendana amin'ny fanondro sy ny ankibe. / Kenda roroka: fanakendana amin' ny tanana roa na amin'ny sandry roa izay entina mamihina ilay kendaina. / Mihakendakenda: enti-milaza irony voankazo na vodin-javamaniry somary fasipasehina ka manahirankirana ny mitelina azy. * Ohab.: Mitsako tsy re ka kenda uao "dony aho ranaotra": enti-milaza irony olona mifaly irery raha misy soa azony, fa miantso ny hala kosa rehefa nisy nahavoa azy. / Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany: ebti-milaza ny olona voan'ny nataony ihany. ¶ M.h.: Mandrora mitsilany ka mahavoa tena, vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny, toho matin'ny lelany. / Manao kenda be, manao ken-da roroka: fiteny samy nalaina avy amin'ny famonoana omby, ka ny hevitr'ilay voalohany dia hoe: misavika ny omby eny am-bozony ka ohatra ny manenda azy; ny faharoa kosa manenda azy eo amin'ny traokany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel