Dikan'ny teny : ketsa

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Vary maniry mbola hafindra: Maitso mahafinaritra ny ketsa - t.i.f: Ketsàna, aketsa, voaketsa, kinetsa I manetsa, fanetsa, mpanetsa / anetsana, fanetsana I mahaketsa I ketsaketsa / manetsaketsa. - F.-p.: Ketsan-dramorainy: enti-milaza fahavitana sy fahalavorarian-draharaha tsy nisy manahirana firy. / Ketsa voasoritra: enti-milaza raharaha efa voalamina tsara tsy misy manahirana intsony. ( Ketsa vohitra: ilazana ny vary nafafy teny an-kavoana tsy misy rano. / Lany mbamin'ny tanin-ketsa: fahataperan'ny fananana hatramin'ny kely indrindra (fiteny matetika amin'ny olona mandanilany foana ny hareny amin'ny loka na zavatra mitovitovy amin'izany). I Mamafy ketsa: mamafy vary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel