Dikan'ny teny : kibo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny faritramalemy eo ambanin'ny tratra misy ny vavony, ny aty, ny tsinay... I tif: Kiboina, akibo, voakibo, kinibo 1 manibo 1 manakibo, fanakibo, mpanakibo / anakiboana, fanakiboana, faniboana 1 mahakibo 1 ]dbokibo 1 kibokiboina. - F-p.: Kibo afafy: enti-milaza olona manao parasy ho-mana, mpitakarina mivelona amin'ny havana atsy amin' ny havana aroa. / Kibomalemy: ny faritra ambany amin'ny kibo. / Kibon-dranjo: ny ivohon'ny ranjo izay malemilemy ary mivohitra botabota, atao koa hoe voavitsy. J Kibon-dranonanana: ilazana ny olona be kibo na kibotaina. / Kibon-tsahona: kibo mivelatra sy malalaka toy ny an'ny sahona. / Kibo tsy omby: ilazana ny zanaky ny mpirahavavy iray tam-po. / Kibo saokan'ny nahiny: enti-milaza fanaovan-javatra tsy noteriterena fa tena ara-tsitra-po marina. / Kibo tsy manary havana: fiteny ilazana fa raha sendra mandalo an-1r an on-kav ana, na dia efa voky aza, dia manandrana kely ihany ny sakafo atolotry ny tompon-trano. J Saro-kibo: saro-kitikitika ka taitra raira vao voakitika kely fotsiny. * Fiten.: Manao kibo antsena: mihinana any ivelany tsy mitondra mody. * Ohab.: Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala: enti-milaza fa raha misy zavatra mahazo ny tena, dia ny tena ihany no mahalala azy; ianao tompony ihany no af a-ka handinika ny aminy. J Ny kibo tsy mba lamosina: enti-milaza fa tsy maintsy misakafo mba hahavelona azy ny kibo, ka araka izany, raha misy atao na ampanaovin'olona na ataon'ny tena samy irery, izay tokony hivelomana tsy azo hadinoina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel