Dikan'ny teny : kitay

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Hazo na bozaka arehitra ao am-patana hahamasaka ny sakafo: Kitay hazo, kitay bozaka. / Maka kitay. ? F.-p.: Mifako kitay: manangon-kitay. / Fakofako tsy mba kitay: enti-milaza zavatra madinika tsy ahavitan-javatra, tsy azo ianteherana. / Anentan-kitay: fehezan-kitay indray mitondra. * Ohab.: Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay: misy ifandraisany ny fiainan'ny ta nĂ na na tany samihafa fa ny mitranga amin'ny anankiray misy akony amin'ny anankiray hafa, na koa hoe ny fahombiazan'ny sasany, fahasahiranana ho an'ny hafa. / Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo am-pototry ny mazava: mampijaly tena noho ny fahihirana. / Tanora ratsy fihary: antitra vao ma-ka kitay: izay tsy manao ny hahatsara fivelomana azy ra ha mbola tanora, rehefa an-titra van mijaly na sahirana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel