Dikan'ny teny : kohadavareny

Hampiditra dikany vaovao
1 (kohaka laoareny) a: Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin'ny enim-bolana ka hatramin'ny dimy taona eo, ary mors fantarina amin'ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin'ny alina; tapabolana aorian'ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin'ny fisintonan'ny fiai-nana amin'ny faran'ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran'izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin'ny olona hoe manara-damba. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel