Dikan'ny teny : kohaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Feo mafy sy tainpoka ateraky ny rivotra avy any an-tratra fa misy marary any amin'ny havokavoka, na any amin'ny lalan-drivotra. - t.i.f.: Kohafina, akohaka, voakohaka J manakohaka, fanakohaka, mpanakohaka / anakohaf ana, fanakohafana / mikohaka, fikohaka, mpikohaka / ikohafana, fikohaf a-na J mahakohaka / kohakohaka. - F.-p.: Koha-dambo: kohaka mikotrokotroka mafy. J Koha-davareny: aretin'ny zaza eo amin'ny enim-bolana ka hatramin'ny dimy taona; mikohaka ny zaza ka misy ilay feo "lavareny" misioka famantarana azy, izay avy amin'ny fisintonan'ny fiainana amin'ny faran'ireo fikohafana mafy mifampitohitohy; maharitra hatramin'ny enina herinandro eo ny kohadavareny. / Koha-maina: kohaka tsy misy rehoka.l h.a: Toejavatra hararaotina. * Ohab.: Koha-maina aza ataony, indrindra fa misy sery kely hanolahany: Izay vonona hamorona antonanton-javatra mba hanaovana izao sy izao dia vao mainka koa ho faly raha misy zavatra kely hohararaotiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel