Dikan'ny teny : kototany

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: (ny teny hoe tokotany ihany, saingy nisy vadipeo na fifamadiham-baninteny) Ny tany manodidina ny trano: Andeha milalao eny an-kototany amin'izay ny ankizy — amin'io hevitra io dia mitovy fampiasa tsy misy valaka ny kototany sy ny tokotany, fa amin'ny h.o. kosa dia ny kototany no fampiasa matetika ka entina hilazana: 1) Ny fitambaranjavatra na vola misy na miasa: Kototanim-barotra, kototanin-karena. 2) Faritra tratra: Kototanim-pahaizana 3) Ambangovangony, fisehoana ankapobeny: Kototanin-tarehy. * F.-p.: Kototanim-pilana: ny fototry ny fahazoam-bola na ny asa atao ahazoampivelomana. / Kototanin-dresaka: ny votoatin'ny resaka na dinika. / Ny kototaniny: ny tena antony, ny fototra lehibe amin'ny zavatra. / Kototanin-tsaina: ny toetoetran'ny hevitra amam-pisainana amin'ny ankapobeny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel