Dikan'ny teny : lahy

Hampiditra dikany vaovao
1 a sy p.t: Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin'ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianodahy ny zanako; tala vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin'ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy uao lasa nivoaka. ? p.t.: Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. - t.i.f: Lahilahina I mandahilahy, fandahilahy, mpandahilahy / miandahy / mahalahy / lahilahY 1 ny lahiny 1 filahiana 1 andahiny. - F.-p.: Lahin'akoho, lahintsoavaly: akoholahy na soavalilahy atao fakana taranaka. / Lahi-mizàna: vy kely mijoro eo afovoan'ny mizàna mitsara ny fahamarinan' ny fandanjana. / Lahilahy toetra: vehivavy maherihery setra toy ny lehilahy, na amin'ny fihetsika na amin'ny fisaina. / Fito lahy fito vavy: teny entin'ny olona mitsodrano ny mpanambady mba ho maro anaka, maro dimby. / Lahim-bela: ny vola izay tsara petraka amin'ny lalao fanorona, ka mety handany ny vaton'ny andaniny. / Tokantranon-dahy: ilazana ny tokantrano tsy misy vehivavy, na tsy ao ny vehivavy, ka tsy mimpirina araka ny tokony ho izy. Ahitsio
2 t-p.: Tenim-piontanana enti-mil aza:l) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy! 2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy! 3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izyl 4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy nouidiko ity saha Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel