Dikan'ny teny : lalao

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fialam-boly na fialan-tsasatra, ka ny sasany fandaniana andro fotsiny, ny sasany fampitomboana herim-batana na herin-tsaina: Be lalao loatra ny zanakao no tsy androsoany amin'ny fianarana. ~ Lanonana misy zavatra mahafinaritra: Nisy bobo mahavariana tao antranom-pokonolona omaly. * Vazivazy: Misy manao la-lao ratsy izany. - t.i.f : Ilalaovana, tafalalao / milalao, filalao, mpilalao / ilalaovana, filalaovana f mahalalao I lalaolao I kilalao. Teny iray tarika: Kilalao, afakafaka, fampanononana ankamantatra, anjaingy, antsamotady, antsavily, antsefa, asampinga, baolina, daka, diamanga, fampitaha, fanalafihana, fandroribola, fanenjika, fangalampiery, fanorona, hazakazaka, kanety, katro (katra), kifanimpanina, kiombiomby, kindriandriana, kivarivary, kizanajanaka, moraingy, piarapiara, raboka, ralanitra, sabaka, raosijamba, an-kitsapaka, renin-jaza, sadoka, saribakoly, savoandanitra, tandrimo, tanisa, tapi-ka, tamaboha, tongodovia, tongokazo, tolona, totohondry, tsipilavaka, tsongolobatita, tsontsorimamba, valala manjohy, vatokely miara-ma hita Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel