Dikan'ny teny : lalitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Bibikely misy elany roa fatra-pipetrapetraka eny rehetra eny ka mitondra loto amin'ny tongony na ny faraingom-bava fitsentsefany, ary izany no mahatonga azy ho mpamindra aretina tsy anerany. bti.f.: Lalerina. * Ohab.: Matimatim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro: enti-milaza izay maimay hanao zavatra ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ahitsio
2 a: Anaran-karatra filalaovana iray izay misy sari-na kodiadiamborona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel