Dikan'ny teny : lamosina

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Ny faritry ny vatana mifamaly any ivoho amin'ny tratra sy ny kibo:Misy marary ato amin'ny lamosiko ato. - F.-p.: Fola-damosina: entinrilaza ny ray aman-dreny vizana amin'ny fibabena ny zanany. 1 h.i: Reraka noho ny raharaha mafy natao. / Hazondamosina: fitambaran'ny taolana mifampitohitohy manaraka ny lavan'ny lamosina, ka ireo vitsivitsy ambony indrindra atao hoe marozandry. / Tsy manana hazondamosina: tsy manana hevitra ijoroana fa manaraka ny an'ny hala hatrany. / Lakandamosina na lakandranon-damosina na lakandrano fotsiny: ny lempona lavalava midina amin'ny lamosina. / Be lamosina: mivelatra be ny lamosina. / Lava lamosina: ilazana ireo tsy miasa fa miriorio etsy sy eroa fotsiny. / Henoy izany ry hazondamosiko: teny fanaon'ireo be marenina tsy mihaino anatra, sady fatra-paniratsira satria ny lamosiny no asainy mihain o. * Ohab.: Ny kibo tsy mba lamosina: ny tiana holazaina amin'izany dia ny hoe: malemilemy ny kibo fa tsy mba mafy sahala amin'ny lamosina, hany ka tsy mba maharinoana. (Matetika io ohabolana io no tovonana tapany manao hoe: ny tsinay tsy mba vatsy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel