Dikan'ny teny : lanitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Ny habakabaka (amin'ny fiteny andavanandro): Manga ny lanitra androany. 1 (amin'ny fiteny ara-pinoana kosa) Ilay fonenana soa ahitan'ny olon-tsambatra an'Andriamanitra: Safononoka ny hasambarana any an-danitra - F.-p.: Lani-datsaka: fatratra aoka izany, tsara tarehy izaitsizy. / Misotro ron-danitra: milanja loha miavonavona, manao tsinontsinona ny torohevitra omena azy. I Manondro lanitra: enti-milaza zavatra mijoro manandrify ny lanitra. / Andeha handoadanitra aiza aho?: teny entimilaza fa tsy misy azo atao intsony. I An-tany hadiako, an-danitra toharako: fanambarana fa tsy maintsy hataony izay hahazoana ilay nofofoiny na aiza handosirany na aiza hiereny. * Ohab.: Avo ny lanitra ka tsy takatro: teny enti-milaza hafaliana sy haravoana raha toa ka ho tanteraka izay na sy tetehina. / Loloha la-nitra ka samy mitondra ny tandrifiny: enti-milaza fa samy mizaka ny anjarany fa tsy azo ailika ho an-kafa ny soa na ny ratsy mihatra amin'ny tena. / Mandia tany ka solafaka, miloloha lanitra ka lena: enti-manambara na miala tsiny fa na iza na iza tsy maintsy manana ny halemeny noho ny maha-olombelona azy (mivelona eto antany). / Raha mitohy ihany ny hazo, tonga any an-danitra: misy fetra ny fanirin'ny hazo; voafetra koa ny fanambinana fa tsy mitohy hatrany ka tokony hanararaotra ny soa izay sendra sao manenina / Valala mbola an-danitra ka asian-tsira: zavatra mbola tsy eo an-tanana, ka efa voatetika sahady ny ha-tao azy; be tetika ambony ihany. I Ny mpanjaka toy ny lanitra ka tsy azo refesina, ary toy ny masoandro ka tsy azo zehena: enti-milaza ny fahefan'ny mpanjaka izay tsy refeai-mandidy ary tsy tohcrin- teny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel