Dikan'ny teny : lao

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy mahatoetra, tsy mahapetraka, tsy tamana amin'ny toerana iray; leony. i Ilaozana 1 mandao, fandao, mpandao I andaozana, fandaozana / mifandao, mampifandao, mampandao / mahalao. - F.-p.: Lao monina: tofoka tamin'ny fipetrahana tamin' ny toerana iray ka any antoeran-kafa indray no mipetraka. I Maimbo lao: ilazana fofon'ny trano izay efa tsy nitoerana naharitra. * Ohab.: Ny vary tsy ilaozan'akatatra, tanĂ na tsy ilaozan'adala: tsy maintsy misy tsininy kely fa tsy tsara tanteraka akory. / Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara: mitovitovy amin'ilay eo ambony ihany, fa manamarika kokoa ny hevitrahoe amin'ny antokon'olona iray, na fikambanana na fianakaviana, tsy maintsy misy manivaka ihany; tsy ary ho tsara daholo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel