Dikan'ny teny : latsaka

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: (zavatra) Mianjera amin'ny tany: Latsaka ny satrony ka niondrika izy ha-ka azy. 1 Mianjera ao anaty lavaka: Latsaka tao anaty fantsakana ny zanaky ry zareo ao atsimo. —h.o.: Aza auelanao ho latsaka ao anatin' ny fakam-panahy izahay. ~ Midina ambany, mitambotsotra: Latsaka ambany ny naotinao tamin'ny fanadinana farany. ? (olona) Tonga mahia kely noho ny aretina: Latsaka er? ianao izany hatramin'ny nahararianao. ? Mitete, mikoriana: Latsaka ny ranomasony teo am pitantarana izany. ? Tafiditra, tafalentika: Latsaka ao antsaiko ny teninao. ~ Ambany, ambaka: Tsy latsaka no-ho ny zokiny izy. •Ambany noho , kely noho: Tsy latsaka ny ariary zato no niuidianako io boky io. ~ Fiteny amin'ny filazana ora raha mihoatra ny antsasany ka amin'izay atao fanalana amin' ny ora manaraka ny fotoana lazaina: Amin'ny siuy latsaka fahatelony izy no handeha - t.i.f.: Latsahana, na latsafana, alatsaka, tafalatsaka / mandatsaka, fandatsaka, mpandatsaka / andatsahana, fandatsahana / milatsaka, filatsaka, mpilatsaka / ilatsahana, filatsahana 1 mahalatsaka I latsadatsaka. - F.-p.: Latsa-bato an-tanana: enti-milaza olona mby efa nahazo soa, nefs votsotra sy tsy azo indxay izany. / Latsa-boa: voasesiky ny totohondry mafy eo amin'ny loha vaniany ka mitangolika na safotra. / Latsa-damba: der. Lamba). / Latsaka antany: vao teraka. / Latsapaka: tsara mina. / Latsaka auara-patana: saro-miala. / Latsa-bava: enti-milaza` ny olona manambara zavatra nafenina na tsy voahevitra loatra. / Latsaka am-bouo: tafiditra amin'ny fandrika sarotra ialana. / Miandry voua latsaka: miandry fiteny kely horiritina. f Latsaka ondana: ilazana ireo nisy fahavoazana tamin'ny harena na ny fahefana ka zary nitambororotra sy lasa ambany noho ireo namany. * Ohab.: Volamena latsaka am-bouoka; tsy auelan'ny volony tsy hihiratra: enti-milaza ireo olona mendrika sy marina, ka na haratsina aza dia tsy maintsy miseho ihany ny hasoany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel