Dikan'ny teny : lehilahy

Hampiditra dikany vaovao
1 (lahy) a.: Teny ilazana ny lahy amin'ny karazan' olombelona, mifanohitra amin'ny vehivavy: Teo aloha nandoa karatra daholo ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona. 1 Olona manankerimpo, mijoro amin'nyheviny, mahavita zavatra: Izany ka lehilahy! 1 (f t.m.): Sakaiza na vady lahy: Lasa niaraka amin'ny lehilahiny any izy. - t.i.f : Voalehilahy. - F.-p.: Tonon'andro tsy mahoiehilahy: ilazana fa misy ny herin'ny vintana, ka na e-fa mitandrina mafy aza, dia mandaitra amin'ny tsy nampoizina ny vintana. / Fanjakan-dehilahy: ny fampirafesana no antsoina amin'izany satria zavatra tsy tantin'ny vehivavy ny mirafy. * Ohab.: Halauoan-dehilahy: manongalika: tsy mbamitrosina ny lehilahy rehefa lava, fa mora miarina (fankaherezana tsy hivarilavo foana). / Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana: manindrahindra ny herimpon-dehilahy izay tsy mba mitanondrika ela amin'ny fahoriana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel