Dikan'ny teny : lela

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Organa miendrika no-fo lavalava mena ao anaty va-va, izay mamadibadika ny sakaf o voatsakon'ny nify ary manampy amin'ny fanononana ny teny lazaina (rakotra marokoroko madinika ny vohon'ny lela, ka ireo no ahatsiarovana ny tsiron-tsakafo hanina). - t.i.f.: Lelana I lelalela 1 alelalela / milelalela, filelalela , mpilelalela f ilelalelana, filelalelana. a F.-p•: Lelan'angady na lei' angady: ilay vy misy rirany maranitra fihadiana ny tany amin'ny angady. / Lelan'antsy na lel'antsy: ilay vy manify maranitra amin'ny antsy: Mizara roa ny tenan'ny antsy, dia ny zaran'antsy sy ny lel'antsy. / Lela penina: ilay metaly misy vaky kely idiran'ny ranomafnty ka manoratra. / Lela varavarana: ilay hazo mikopaka amin' ny varavarana. / Lela vola (taloha): vola tsy vaky, ariary — (ankehitriny): enti-milaza tena vola fa tsy taratasim-bola na zavatra mitovy vidy amin'ny vola: Saiky haloany vary ny karamako, kanefa tsy nety aho fa nasaiko nataony lela volaihany./Matavy an-dela: manao azy ho mahay na manankarena, ne-fa tsy izany; fatra-mampanantena zavatra betsaka, ne-fa tsy manome inona akory. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel