Dikan'ny teny : loko

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Sora-javatra: Vony sy maitso tanora ny lokon'ny tranony. ? Rano na vovoka noharoina ka mahatonga vo-]on-javatra sy sorany axaka ny karazany: Ampifangaroy ireto loko roa ireto fa ho tsara. 1 Dity anakambanana zavatra mba hiraiketany mafy: Ny taratasim-panjakana matetika dia uoadity amin' ny loko afo. i tif: Lokoana, aloko, voaloko 1 mandoko, fandoko, mpandoko 1 andokoana, f andokoana 1 miloko, filoko, mpiloko ) ilokoana, filokoana / mahaloko. ~ F.-p.: Loko rora: loko mi- Loi endrika zavatra lavalava. (Loko afo: loko fanaovana tombo-kase, izay dorana amin' ny afo ka mitsonika mitete ary iny mitsonika iny no apetaka amin'ny valopy ho filazana fa tsy misy mahazo manokatra azy io raha tsy izay tokony hanao izany. Teny iray tarika: Loko, fotsy, fotsy botsiaka, fotsy botsatsaka, fotsy bobo, fotsy manjopiaka, fotsy ranoray, fotsy hiaka, fotsy mangatsakatsaka, fotsy manganohano, fotsy mangatsohatso, fotsy ravoravo, fotsy hatsatra, mivolom-bolafotsy, mena, me-na vongatraka, mena mohatrakatraka, mena mangorĂ ka, mena jaky, menafify, mena mangatrakatraka, mena antitra, mena mivaivay, mena dorehitra, mena hatraka, me-na ranombalahy, mena mangaka, haboka, menapiny, volondaoranjy, tamotamo, mivolom-bolamena, mihodibola, vonimpaiso, mavokely, mavo tanora, mavo, mavomena, mavo antitra, mavo mania, vony, vonivony, mazaza, mantsasaka, vololona, maitso tanora, volondomotra, manga tanora, maitso mavana, maitso milenodenoka, maitso antitra, manga, manga volondanitra, manga antitra, nifinakanga, angana, volomparasy, volondavenona, frandrilavenona, volombatolalaka, volomboahangy, volonkary, mania, volontakatra, mainty, maintimainty, mainty vasoka, miarimbilany, mainty ngilo, mainty ngizina, mainty piso (piripiso), mainty ngaly, merona, ngerona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel