Dikan'ny teny : loloha

Hampiditra dikany vaovao
1 (loha) a: Fitondrana zavatra an-doha: Loloha kitay; na zavatra mitatao ambonin'ny loha: Loloha lanitra ka samy mitondra ny tandrifiny. • Ny havana akaiky izay sahirankirana na mananosarotra amin'ny fivelomana ka adidin'ny tena ny manohana azy: Lolohanao ireo antitra ireo ka tsy azonao ariana amin'olona. i tif: Lolohavina, aloloha, voaloloha / miloloha, filoloha, mpiloloha / ilolohavana, filolohavana pmahaloloha. - F.-p.: Loloha aman'entana: havaria akaiky tsy azon' ny tena ialana fa tsy maintsy velomina sy karakaraina. / Entin-doloha: enti-milaza ny vehivavy maty vady alain' ny rahalahin'ny vadiny ho vady indray. / Mizaka Loloha: manohana havana akaiky sahirankirana / Tsy mahazaka loloha: tsy tia na tsy afaka manohana havana mila fanampiana. * Ohab.: Loloha lanitra ny fiainana ka samy mitondra ny tandrifiny: enti-milaza fa ny olona rehetra dia samy manana ary mizaka ny anjarany avy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel