Dikan'ny teny : loza

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Zavatra mampahita fahavoazana lehibe, toy ny fahafatesana, faharavam-pananana, ans...: Saika nahita loza Rabe tamin'ny diany farany tao. ~ Zavatra miterapahavoazana lehibe ho an' olon-tokana na maro: Tsy misy loza mihoatra noho ny adim-pirenena ¶ M.h.: Voina, antambo, loza aman'antambo. ~ p. t.: Masiaka izaitsizy: Olon-doza, hono, izany Néron izany. 1 Enti-milaza olona na zavatra mampitola gaga, tsy eran-tany (na amin' ny lafiny tsara na amin'ny lafiny ratsy): Loza Ikoto raha hihazakazaka. 6 tif: Lozaina, voaloza 1 mandoza / mpandoza 1 ampandoza / ankaloza / manka loza / ankalozana, fankalozana / mahaloza f halozana, fahalozana / nahandoza. - F.-p.: Afa-doza: enti-milaza olona efa teo ambavahoanan'ny loza nefa afaka soa a man-!sara 1 Idiran-doza: tratra, voan'ny loza. / Lozabe: masiaka aoka izany. / Lozanjavatra: zavatra mampitola gaga. 1 Lozan-tany: fatratra izaitsizy, tokana aman-tany. / Mampidi-doza: mampahita loza, mamohehatra. / Mamoheha-doza: miteraboka-doza./Manome loza: miampanga tsy marina. / Mihomehy loza: maneso olona amin'ny fahavoazany, mandatsa /Nahita loza foana teo isika: voalohan-teny lazain'ny mpamangy rehefa mamangy manjo. / Mananty loza, manaton-doza: mitsena loza, mitono tena amin'ny loza, manatom-paty. ¶ M.h.: Manao vy very, manao anjolofo, manaboamaty, mananty voina, manao mosalahy. ¶ M. h.: Antambo, loza aman' antambo, zo, voina, angano, angano latsaka, faisana, fahonana, sampona, tambàna, tra-doza, tra-boina, idirandoza, iharan-doza, idiran'angano, mahita angano, fohehatra, voan'ny patsa iray tsy omby vava, voan'ny tain'akoho mahalavo, sendra ny mangidy tsy telina, mampidi-doza, mamohehatra, mainpiditra angano, mamoa-tsampona, mahatsiravina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel