2 (lala) mt.p. (mahalalà): (zavatra) Mahay:Tsy mahalala ny fombanareo aty a-ho. 1 (olona) Manana fahafantarana momba ny olona iray, mahafantatra: Tsy mahalala an'io lehilahy io velively aho. a F.-p. sy Fiten.: Mahalala an'Andriamanitra: mahafantatra an 'Andriamanitra ka mangoraka ary manao ny marina. / Mahalala ny rariny sy ny hitsiny: mitana ny fahamarinana mandrakariva a ry mampihatra izany amin' ny tsy fanambakana ny sasany. / Mahalala folo ho an'ny tena fa tsy mahalala iray ho an'ny hafa: ilazana fitiavantena maharikoriko tsy mihevitra afa-tsy ny tombon-tsoa ho an'ny tenany fa tsy mijery ny an'ny hala. / Tsy mahalala kely: ilazana ny zokinjaza manampatrany fitiavantena amin'ny zandriny izay tsy matanjaka noho izy na badobado. / Tsy mahalala lahy: enti-milaza ny zazavavy mbola tsy mahafantatra ny filan'ny nofo teo amin'ny firaisana. / Tsy mahalala onony: manao tafahoatra ny mety eo amin'ny sotroina, hanina, fanaranam-batana. / Tsy mahalala sorona: tsy mba mahay misafarifary fa rehefa asaina manao dia manao tokoa. / Tsy mahalala tsy misy: ny zaza mbola tsy vory saina dia tsy mahafantatra ny hoe tsy misy, ka mikaikaika izy rehefa nana, na dia tsy manan-katokona aza ny rainy sy ny reniny. / Tsy mahalala vizana: ilazana ny olona feno herim-po amin' izay ataony. * Ohab,: Izaho tsy mahalala akoho bevohoka, fa rehefa mikakaka izy saronako: ilazana ny zava-miseho ety ivelany, toy ny feo, izay mazana entina mitsara ny tena toe-javatra.
Ahitsio