Dikan'ny teny : mahalana

Hampiditra dikany vaovao
1 (halana) p.t.: Beela nelany, tsy mifanakaiky: Nataonao mahalana loatra ny hazo nambolena ka betsaka ny ambiny tsy lany. ¶ M.h.: Makaka, bakaka, bakatraka, manify, manify fafy, malais ka be elanelana, mielanelana, tsy matetika, tsy mifanety. • Tsy mpiseho matetika, indraindray foana: Mahalana vao mitsidika anay aty ny lehibem-paritany. ¶ M.h.: Tsy fahita matetika, tsy fahita firy, mitsitapitapy, indraindray tadiavina, tsy fahita firy ohatra ny gisamainty. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel