Dikan'ny teny : mahaleo

Hampiditra dikany vaovao
1 (lao) mt p. (mahaleova): Manan-kery hahatohitra, afaka handresy: Tsy mahaleo azy aho ka hany heriko mangina. ~ Mahavita, afaka hisahana, hikarakara: Mahaleo tsara ny fitondrana ny ankizy ilay mpampianatra vaovao. 1 Mahatanty, mahazaka: Olona tsy mba mahaleo ny esoeso sy ny fanarabiana izy. - F.-p.: Mahaleo tena, fahaleovan-tena: afaka mizaka tena tsy miankina amin'ny hafa intsony. / Mahaleova mahalasàna: teny firariana atao olona mba hahavitany tsara izay hataony, handreseny ny sarotra, hahombiazany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel