Dikan'ny teny : maharitra

Hampiditra dikany vaovao
1 (aritra) p. t. sady mt. s.: Mateza: Maharitra itony fiarakodia itony raha voakarakara tsara ~ Mikiry, mikikitra: Maharitra amin'ny fikarohana ny olo-mahay. ? Mijanona ela any amin'ny a leha: Nahoana no naharitra tany an-tsena Ise? - F.-p.: Tsy mahari-boankena, tsy maharitra ny mena miraviravy: tsy maharitra amin'ny zavatra tsiriritina mafy fa dia raikitramihinana. * Ohab.: Izay maharitra vadin'andriana, fa izay tsy maharitra vadin'Ikotokely: ny faharetana no ahazoana zavatsara. / Mahari-pery: manankerim-po hizaka izay fahoriana na zava-tsarotra mitranga. ΒΆ M.h.: Miaritra, mihafy, mahatanty, mahari-po, mahari-pery, mandefitra, miangidy, manaraka ny onjany, tsy fola-mandefitra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel