Dikan'ny teny : mahia

Hampiditra dikany vaovao
1 (hia) p.t.: Tsy mahazo nofo, manify kely, tsy mba nofosana: Mchia er? Rakoto hatramin'ny naharariany farany tao. • Tsy matavy, tsy misy taviny na menaka: Mahia ny hena novidinao. ¶ M.h.: Kaozatra, kaozatina, kangoaza, tsy velon-komana, tsingoahina, raiki-tapisaka, rangkangy, mandràka, kaoka, miripika, mirepika, maranitaolana, taolantaolanina, ranga, nipoaka (olona natavy ka nihanahia), mitrskitraky, mitranitrany, mitrikatrika, be rangomaina, kinaoly, sakohaza, ohatra ny takatra, ohatra ny sorohitra, ohatra ny horona, kanty velona. - F.-p.: Mahia miarana: entimilaza olona manaram-po amin'ny zavatra tiany nefa tsy mahazo nofo fa mahia la-va ihany. / Mahia tsy marary: enti-milaza olona mahia tsy noho ny aretina, fa efa vahany rahateo. / Ilay mahia miankin-drindrina: Ankamantatra ilazana ny sahafa. * Ohab.: Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany: enti-milaza fa andosiran'ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. / Ny mahia zokin'antitra: enti-milaza fa ratsy noho ny fahanterana ny fahiazana sabla heverin'ny olona ho be taon ny mahia mitrakitraky taolana, na dia zandrin'ny matavy mandimandina aza. / Omby mahia be tandroka ka mitondra ny tsy eran'ny aina: ilazana ny tsy maintsy hanaovana ny adidy na dia sarotra aza. j Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana: enti-milaza zavatra tsy dia tsaratsaraloatra ka mahasanganehana ny milaza azy amin'ny havana na ny sakaiza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel