Dikan'ny teny : mahita

Hampiditra dikany vaovao
1 (hita) mt p. (mahità): Mahalala ny fisian-javatra iray amin'ny alalan'ny maso: Mahita rahona eny amin'ny lanitra aho. ? Mifanena amy: Nahita an-dRasoa aho teny an-tsena. ? Sandra, tojo: Nahita vola ariary zato teny an'arabe Isambilo. • Mamorona: Ny Sinoa no nahita ny vanja voalohany. • Ahatazanana: Mahita tsara i-t? masolavitra it?. - F.-p.: Hikapa hahita ny tonony anie, handidy hahita ny vaniny: teny entina mirary soa ny mpitondra fanjakana na lehibem-pikambanana mba hahita izay mety tokony hatao hitondrana ara-pahamarinana sy amin'ny hitsiny. * Ohab.: Mahita volana alohan'ny biby: (ny andro roa voalohany ahatsinanan'ny volana dia noheverin'ny Ntaolo fa ny biby ihany no mbola mahita azy) ny olona tondroina amin'io teny io dia mety hiditra amin'ny sokajiny roa: na ireo heverina ho kinga sy mahay noho ny hafa na ireo miteniteny foana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel