Dikan'ny teny : maitso

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Enti-milaza zavatra mitovy volo amin'ny ravinkezo: Maitso tanora ny volon'ny ravin 'akondro. - t.i.f : Hamaitsoina, amaitso, maitsoina, voamaitso / manamaitso, fanamaitso, mpanamaitso I anamaitsoana, fanamaitsoana / mahamaitso / maitsomaitso, maitsoitso / hamaitso, hamaitsoana. • F.-p.: Maitso akalo: entimilaza ny taona maha-mosarena (ny vary tsy misy hototoina, fa ny ravintoto fotsiny no mahamaitso ny akalo). / Maitso lafika: ilazana ny ankizy mpivoaka am-pandriana (noho ny lafika na kidoro andriany tonga maitso fa le-na lava). / Maitso tany: manomboka mitsimoka haniry (volombava, ketsa nafafy...) J Maitso volo: ilazana ny tanora. / Maitso mavana: ilazana ny ahitra milenodenoka, na ny lokon-javatra mitovy amin'izany. / Maitso tanora: maitso matsora. Teny iray tarika: Maitso ta-nom, maitso antitra, maitso milenodenoka, maitso mavana, maitsoitso. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel