Dikan'ny teny : maizina

Hampiditra dikany vaovao
1 (haizina) P. t : Tsy mazava, manjombona: Maizina ny efitrano ka vohay ny varavarankely. • h.o.: Tsy azo mazava, manjavozavo: Maizina ny lahateniny. ? a: Fahoriana mangidy: Nitondra ny maizina izy tao amin-dry Ranona tao. •Ny Ratsy, ny fanahy ratsy: Zanaky ny maizina ireny matoa tsy sahy miseho masoandro. - F,-p.: Maizina andro: mihidy aman-trano na voahidy ao an-trano. /Maizim-pito: maizina mikitroka ka tsy ahitana mangirana. / Maizim-po: enti-milaza ny olona tsy mba fatra-pamboraka ny ao ampony, jomoka, na malonilony. / Maizina ny mahazo azy; mitondra ny maizina: mijaly mafy amin'ny fahoriana mahazo azy. * Ohab.: Maizina am-pototry ny mazava: enti-milaza ny olona tsy manam-pahalalana na tsy mahalala fomba eo afovoan'ny olona mahay sy mahalala fomba Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel