Dikan'ny teny : maka

Hampiditra dikany vaovao
1 (aka) mt p. (makà): Mandray, mangalatra: Nisy naka ny bokiko teto ambony latabatra. • Mandeha mba hitady ary hitondra, miharana: Lasa naka rano any am-pantsakana i Soa, ary naka kitay any an-tsaha i Benaivo. • Mandeha mba hiangavy (olona) ho tonga; mandeha mba hitondra (zavatra) hiverina: Lasa naka dokotera i dada fa manavy ny zandrinay. / Ndeha maka antsy atsy atsinanana atsy, ry Veto a! - F.-p.: Maka am-bavany: manontany sy mamotopototra olona mba hahitana izay marina momba ny ady na raharaha iray. l Maka am-pandairana: mandray tsy an-kiato, tsy mamelamahazo. /Ma-ka an-keriny: maka amin'ny fampias ana tanj aka, herise tra / Maka an-kihitra: mandray tsy an-kijanona. / Maka ba: (jar. io teny io). f Maka fanahy: manao izay hanangolena, hitaomana hanao zavatra iray, mitaona hanao ratsy. / Maka heuitra na maka saina: manontany (olona) momba izay tokony hatao. / Moka miaramila: miantso olona ho miaramila. I Maka mora: tsy rototra raha manao zavatra / Maka rivotra: mandeha amin' ny toeran-kafa iray mba hiova rivotra; mivoaka mba hiala sasatra kely eo anelanelan' ny fotoam-pianarana. / Maka sarotra: misahirana fatratra rehefa manao zavatra. /Maka toerana: mipetraka tsara; miorina tsars, /Maka vady: mangataka ho vady. /Maka vadin' olona: manao ny fanaon'ny mpivady amin'ny olon-kafa tsy vadin'ny fana. J Maka va-va latsaka: misambotra teny diso na sendra lasa ka mana• raraotra izany mba hamelezana na hananganana korontans. / Maka vavan'olona: mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry hanche sy hahitamaso mivantana). / Tay moka sarotra: tsy mihetsikamahery na manao fiezahan-tsaina mafy akory rahs miteny na manao zavatra. * Ohab.: Tanora miadam-pihary ka moka kitoy fotsy vo-Io: manaram-po fahazaza dia manomana fahanterana fadiranovana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel