Dikan'ny teny : malama

Hampiditra dikany vaovao
1 (lama) p.t.: Malambolambo mampibolisatra: Tandremo sao potraka fa malama ny fotaka. • Midifidify tsy mety mandoa trosa: Olona malama iny Rangahy iny fa aza mba mampisambo-bola an' iny. - F.-p.: Malamakely: entimilaza karazana vola farantsa fahizay, dia ilay nisy ny sarin'i Napoléon I. / Malama kely: zazalahy tsy misy volombava, tsy mbola vaky somotra. / Malama maina: (miaraka mandrakariva amin'ny teny hoe tany): enti-milaza ny fiainana izay sarotra itondran-tena fa jerena toa mora andehanana ne fa raha tsy mitandrina mety hamotraka: Tandremo fa malama maina ny tany ka tsy azo anaovana tongo-dovia. / Malama vava: loza raha hiteny fa misosa mandeha dia mandeha ery ny teny aloakan'ny vavany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel