Dikan'ny teny : mam

Hampiditra dikany vaovao
1 Tovona fanaovana matoantenin'ny mpanao, izay tsy inona fa ny "man-" ihany raha mikambana amin'ny fototeny sasantsasany; toy izao ny fitsipika amin'izany: 1) Rahamikambana amin'ny fototeny manomboka amin' ny f na p ny man, dia miova ho mam ary latsaka ireo ranisoratra ireo: man-fikitra = mamikitra; man-potraka = mamotraka; 2) raha mikambana amin'ny ft manomboka amin'ny b na u ny man, dia miova ho mam, ka ny b mijanona ho b ihany (manbeda = mambeda) na indraindray latsaka (man-babo = mamabo) ary ny v kosa lasa b (man-voly = mamboly) na latsaka (man-velona = mamelona). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel