Dikan'ny teny : mamahana

Hampiditra dikany vaovao
1 (fahana) mt.p. (mamahana): Mifikitra, mamikitra, misaringotra amin'ny zavatra iray mba tsy hianjera: Saiky nianjera tany an-tevana aho raha tsy namahana tamin'ny uody hazo iray. ¶ M. h.: Mamahatra. / Manao ditra tsy handeha, mitokona: Namahana teo am-baravarana izy ka tsy nandeha raha tsy norahonana ¶ Mh.: Mitokona, mihenahena, mitokozihitra. Ahitsio
2 (fahana) mt.p. (mamahàna) : Manome hanina, mampihinana: Mbola marnahana ny soavaliny i dada./Mamahana ny zanany ny vorona. 1 Manisy fahana: Marnaham-basy. 1 Manodina ny vimiainan'ny famantaranandro mba hahafahany mandeha maharitra:Mamahana famantaranandro. 1 Mampiditra ny kofehy mitsivalana amin'ny lamba tenomina: Efa namahana ny tenona ve izao i Nenibe? - F.-p.: Mamahan-dalitra: mamitaka. / Mamahan-tsofin-jaza: mampanantena zavatra ankizy, mampangina azy amin'ny fampanantenan-javatra azy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel