Dikan'ny teny : mamindra

Hampiditra dikany vaovao
1 (findra) mt p. (mamindrà): Manova toerana: I-za no namindra ny satroko teto? • Mitondra amin'ny toerana hala: Lasa namindra ny zanany amin'ny Sekoly any Antananarivo izy. • Mamboly zavamaniry efana niry tamin'ny toeran-kafa: Mamindra zana-kazo. • Manendry hiasa amin'ny toeran-kafa: Ny lehiben'ny Faritany no namindra azy ho eto. • Manome, manolotra: Namindra ny fahefany tamin'ny apostoly i Jesoa • Mampita: Tsy tsara ny mamindra hafatra • Mandeha: Mbola vao herintaona latsaka dia mamindra tsara sahady t lay zozo. • Miara-mandeha, mitanjozotra, mirindra tsara: Namindra tsara ny foloalindahy tamin'ny matso tamin' ny 26 Jlona (mt. s.). * F.-p.: Mamindra fo: mangora-po, mamelaheloka (Mamindra fo ny voaheloka na mamindra fo amin'ny voaheloka). / Mamindra hahy: misambo-bola amin'olona mba hanefana trosan'olon-kafa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel