Dikan'ny teny : mamoaka

Hampiditra dikany vaovao
1 (voaka) mt.p. (mamoàha): Mampiala ny trano: Mamoaka ny ankizy haka rivotra ny mpampianatra. • Milaza am-pahibemaso: Efa namoaka didy mihitsy ny fanjakana momba izany. • Mamosaka, mampiseho: Aoka ianao hamoaka mazava ny heuitrao eto anoloanay. • Mampiseho voalohany ho hitan'ny olona: Vao namoaka gazety indray izao Randria. * Manome:Mamoaka feo tsara sy mahafinaritra io orga vao novidinay io. * Enti-milaza ny ray aman-dreny izay mandefa ny zanany hanambady, amin'ny fotoanan'ny fampakarana:Hamoaka zazavauy Rakoto mivady rahampitso Asabotsy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel