Dikan'ny teny : mamono

Hampiditra dikany vaovao
1 (fono) mt.p. (mamonosa): Mandrakotra, manisy fonony: Aza asiana mikobana rehefa mamono boky. 1 Manafma: Mamono vola madinika an-joron-damba * F.-p.: Mamono faty: mandrakotra lambamena manodidina ny faty. f Mamono lamba: mandrakotra lambamena vaovao indray ny maty amin'ny famadihana. Ahitsio
2 (vono) mt.p. (mamonba): Mikapoka: Ity manko mamono anay ô, hoy lbalita tamin-dreniny, t• Manala ai-na, mahafaty: Mamono olona maro isan-taona ny toaka * Mitsoka: Mamono jiro. • Manafoana: Mamono lalana * Mikosoka: Mamono soratra * F,-p.: Mamono antoka: enti-milaza ny zavatra tsy nahazoana tombony fa nampiditra fahasahiranana na nahavery masonkarena. f Mamono biby: enti-milaza ny fanafoanana ny fifaneraseràna izay nisy teo aloha. / Mamono dia: 1) manao izay tsy hahitan'ny mpanaraka ny alehan'ny tena ka mivilivily sy mody mitamberimberina na mandiso ny lalan-kaleha, fa tay any amin'izay efa noheverina;2) mamboatrasy mandamina tsara ny tany voasa ary ny bainga voavadika. / Mamono dindo: manao izaY hialan'ny avelo na fanahy ratsy mitady hisompatra. f Ma-mono feo: manao izay tsy haharenesana feo hafa ka manao tabataba be. j Mamono hira: tsy manaraka ny tena hira fa mampidina ambany na mampakatra avo, ary dia simba ny hasoan'ny hira fa tsy aralia ny tena izy. / Ma-mono lalana: 1) misakana na manisy fefy ny lalana tsy ho azo aleha; 2) anambarana koa ny olona manao zavadratsy amin'ny asa ataony, ka tsy afakamiverinahahazo soa amin'ny raharahany intsony. / Mamono lolo: (mitovy amin'ny mamono dfndo). / Mamono masoandro: ilazana ny olona miasa fatratra mandra-pilentiky ny masoandro. J Mamono sofina: mody tsy mandre izay lazaina, na tsy miraharaha izay zavatra henony. f Mamono tena: 1) manao izay hahafaty ny tenany, manapitra ny afny; 2) ilazana ny olona tsy mihevitra izay mety hahafaty azy. / Mamono teny: mitovitovy amin'ny hoe: manapa-teny, nefa miteny ihany mba hihainoan'ny olona izaylazain' ilay voalohany. f Mamono va-tala: manimba ny soa tokony hiafarana.f Mamono voalavo: alohan'ny fampinomam-be, dia manao latsa-bato ny isantanàna na isam-paritany mba hanadiovana azy amin'ny mpamosavy. j Mamono vola-na an-trano: jar. Volana./Mamono vorona: mandrahona, mampitahotra ambony ihany, manao don-tandroka. / Tsy mamono anaka: ilazana ny vono izay mahafaty eo no ho eo amin'ny indray mandeha monja. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel