Dikan'ny teny : man-

Hampiditra dikany vaovao
1 Tovona fanaovana matoantenin'ny mpanao ka toy izao sy toy izao avy ny fiovan'ny ft mikambana aminy: a) Amin'ny ft manomboka amin'ny zanatsoratra sy ny renisoratra d, g, j, dia mikambana tsotra aminy ny man; man-ary, man-etry, man-iry, man- ova, man- clona, man-geja, man-jono; b) amin'ny ft manomboka amin' ny h kosa, dia indraindray 1atsaka ny h: man-hety =ma-ne ty, indraindray miova ho g: man-horona = mangorona; - d) amin'ny ft manomboka amin'ny 1, r, z, dia miova araka ny hita amin'ny lalianpikambanan-teny ireo renisoratra ireo: man-lalo =mandalo; man-roaka = mandroaka; man-zary = manjary.; - e) amin'ny ft manomboka amin'ny m sy n, tsy miova ireo fa ny tovona man no tonga ma: man-mindro = mamindro, man-nenina = manenina; f) amin'ny ft manomboka amin'ny k, s, t, ts, latsaka daholo ireo renisoratra ireo: man-kaikitra = m anaikitra, man-songona =manongona, man-tolotra =manolotra, man-tsongo = manongo; g) farany, amin'ny ft manomboka amin'ny f, p, b, v, miova ho mam ny man (jer. Mam). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel