Dikan'ny teny : manadala

Hampiditra dikany vaovao
1 (adala) mt.p. (manadatà): Mandrebireby, mamitaka: Olona manadala anao fotsiny iny fa aza miaraka amin'iny intsony. • Manelingelina, mahasosotra: Tsy mitsahatra manadala azy amin' ny raharahany ny zafikeliny. • Mahavery loha, mamily saina: Tsy avelany, hono, iny zazalahy iny fa nanadala ny zanany. • Manolikoly olona hahazoana izay tadiavina: Tratra nanadala ny lehiben' ny fokontany izy ka nosazina. - F.-p.: Manadala tena: ma-nimba tena, mamita-tena: manadala tena amin'ny sakaiza ratsiny izy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel