Dikan'ny teny : manafina

Hampiditra dikany vaovao
1 (afina) mt.p. (mana-fana): Mametraka zavatra amin'ny toerana tsy hahitana azy; manitrika: Manafina vo-la. • Mampiery: Miray tetika amin 'ny olon-dratsy izay manafina azy. • Tsy mampiseho ety ivelany: Mahay manafina ny alahelony io vehivauy io. ? Manarona, manakona: Tsy tsara ny manafina ny marina. / Nisy rahona nanafina ny volana indrindra tamin' izay! • Mandevina (mpanjaka): Tamin'ny alina no nanafenana ny masina. - F.-p.: An-kanafina: azo a-tao ny manafina. 1 An-kinafinafina: an-tsokosoko. (Manafin-kibo: enti-milaza ny vehivavy bevohoka nefa mahay manamboatra ny fitafiany tsy hamantaran'ny olona azy ho izany. / Manafin-tauy: enti-milaza ny biby ompiana izay tsy dia hita ho matavy ety ivelany, fa rehefa rasaina vao hita. / Manao saka manafin-koho: mihatsaravelatsihy. * Ohab.: Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola: ny olona hikarakara ny tena no tokony h amp ahalalana voalohany ny momba ny tena Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel