Dikan'ny teny : manaiky

Hampiditra dikany vaovao
1 (aiky, eky) mt.p. (maneke): Manao tsy misy fandavana, manaraka ny sitrapon'ny hafa: Manaiky ny lehibeny ny miaramila. ΒΆ M. h.: Manoa. ? Mankasitraka, mankato: Mana?ky ny hevitrao aho. / Rehefa tsy miteny, hono dia manaiky, hoy ny tandrefana ? Mety: Tsy manaiky ny handeha izy. ? Mandray: Tsy manaiky fana-titra na inona na inona izy. ? Manome: Manaiky izay rehetra angatahin-Janany aminy Rasoa, hany ka nanjary mi-hanta be ny zanany. ? Mitsotra, mibaboka: Tsy nanaiky ny helony ilay uoampanga - F.-p.: Manaiky lembenana, manaiky lempona: manaiky izay rehetra lazaina aminy, noho ny tahotra na ny hasarotan-kenatra. / Manaiky be, manaiky befahatany, manaiky ambony ihany: manaiky izay lazaina aminy, tsy ampiheverana fa an-jamba fotsiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel