Dikan'ny teny : manainga

Hampiditra dikany vaovao
1 (ainga) mt.p. sy mt. s, (manaingà): Manala ny zavatra amin'ny toerana ambany misy azy ka manondrotra azy, mibata: Tsy afaka manainga ny tongony akory io marary io. / Afaka manainga ity vato ity ve ise? ? h.o.: Mamporisika, mitaona: Manainga ny vahoaka ny Filohan'ny Nosy mba hifankatia sy hiasa, ? Miala amin'ny toerana iray ka mandeha: Tsy afaka hanainga amin'ny efatra maraina isika fa mbola misy hamboarina ny fiarakodia. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel