Dikan'ny teny : manala

Hampiditra dikany vaovao
1 (ala) mt.p. (manalĂ ): Manesotra: Nanala ny palitaony izy fa nafana loatra ny andro. ~ Manatsoaka, manongotra, manombotra: Iza no nanala ilay fantsika teto amin'ny rindrina? ~ Manafaka: Iza dry no nanala azy tao an-davaka tao, hoy ianao? ? Maka: Lasa nanala fanadinana any Antananarivo izy. ? Manao fanalana, manesotra isa amin'ny isa hafa iray lehibebe kokoa: Tsy mbola mahay manala akory ity zaza ity a F.-p.: Manala aina: mamono mahafaty. / Manala alahelo: mampitony ny alahelo, mampionona olona ao anatin'ny fahoriana. / Manala andro: manao zavatrambahandaniana andro ka tsy hahatsiarovana ny fahelany. lManala baraka: manala ny voninahitr'olona/Manala ny fony: manampatra ny hatezerany. /Manala ny lohany: mitomany mafy dia mafy, mijafajafa. / Manala satroka: manesotra ny satroka avy eo andoha ho mari-p anajana. j Manala tsiny: manao izay hahamaivana ny fahadisoan'ny olona iray. / Manala zaza: manao izay hahafahan'ny zaza mbola tsy tonga volana ao an-kibo. Ahitsio
2 manatsoaka zavatra sintonina, manendaka, Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel