Dikan'ny teny : manaraka

Hampiditra dikany vaovao
1 (araka) mt. p. (manaraha): Manjohy: Mitomany hanaraka an-dreniny Ikotokely. ? Manao araka ny..,, mitandrina, manatanteraka: Manaraka ny didin ' Andriamanitra ? Mandeha amin'ny lavan'ny, sisin'ny, moron'ny: Mandehana manaraka ny valamparia, ? Tsy manohitra fa manao araka ny...: Manaraka ny fitongilanan-dratsy. * Momba ny..., miandany amin'ny,..: Manaraka ny fampianaran'i Bouddha. ? Avy aoriana, mandimby: Manarako ny lohataona ny fahauaratra. ? Vokatry ny: Manaraka ny heloka ny sazy. ? Manao tahaka, maka tahaka: Tsarovy fa hanaraka ny hataonao ny zanakao, ? Miady mba hahazo, mitaky amin'ny alalan' ny fitsarana: Tsy misy mahadiso ahy raha manaraka ny anjara lovako aho. * F.-p.: Manara-bava: sady mihira no mitendry zavamaneno. / Manara-bavy: 1) mitoetra any amin'ny ray amandrenin'ny vavy; 2) mety ho entin'ny vavy amin'ny sangany. / Manara-bolana: entimilaza olona fatra-piovaova amin'ny heviny na ny toetrany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel