Dikan'ny teny : manary

Hampiditra dikany vaovao
1 (ary) mt.p. (manaria): Manipy zavatra any amin'ny toerana tsy hahitana azy intsony: Manary fako. 1 Tsy miraharaha zavatra, hany ka verivery fotsiny ilay izy:Betsaka ny ankizy no manarinary ny bokiny eny rehetrarehetra eny. 1 Milaza ampahibemaso fa tsy ho isan-jaza mpandova intsony: Efa nanary azy ela be ny rainy. - F.-p.: Manary dia: manao izay tsy hifantohan'ny saina aman'eritreritra amin'ny zavatra iray. / Manary faty,: manipy faty ho verivery fotsiny fa tsy mandevina azy. / Manary kely: mahafoy zavatra kely mba hahazoana soa bebe. / Manary rano: 1) entimilaza toerana somary solampilampy atao koa hoe mandry soroka; 2) mivalandrano. / Manary andro:manao izay hahalasa ny andro amin'ny zavatra tsy dia misy antony firy. / Manary zaza: milaza ampahibemaso fa tsy handova ny tena ilay zaza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel