Dikan'ny teny : manda

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rindrim-bato na rindrim-by, na tamboho avo tsotra, manodidina toerana iray tiana harovana amin'ny fahavalo: Tsy laitra nanihina ilay manda. • h.o.: Olona mpiaro: Izy no mandan'ny madin ika 1 t i. f: Mimanda ) fimanda. - F.-p.: Manao manda tehezana: miaro zavatra na olona, ka ny tena mihitsy no atao fefy amin'izany; miaro amin' ny herin'ny tena rehetra. Ahitsio
2 (la) mt.p. (mandava): Milaza mafy fa tsy marina; tsy manaiky fa marina; mitsipaka zavatra iray izay lazaina fa diso: Mandà izany fanombotombohanao ahy izany a-ho. • Tsy mandray: Mandà ny fahagagana izy. ~ Milaza ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Izaho manda an'i Satana. • Mivadika: Mandà ny teny napetrany izy. - F.-p,: Mandà rariny: tsy mety miaiky eo anatrehan' ny rariny; mitampi-maso amin°ny marina. ) Mandà te-na: ilazana ny olona manana fmiavana hikarakara sy hanasoa ny hafa. * Ohab.: Aleo mandà tsy handeha toy izay hanaiky tsy ho lasa: tsy tokony hanaikinaiky foana, nefa hamitaka nony avy eo. / Izay fatra-pandà ihany no manaiky: ny ela manova zavatra ka ny nolavina mafy tamin'ny voalohany lasa ekena at3~ aoriana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel