Dikan'ny teny : mandany

Hampiditra dikany vaovao
1 (lany) mt. p. (manda-nia): Mihinana: Mandany vary intelon'ny kapoaka isan' andro izy. ? Mandritra: Mandany vola betsaka ny fanaouan-trano ankehitriny. ? Manapitra: Handany ny uolana Aurily any Toamasina izahay. ~ Manary: Nandany ny androko ny fiandrasako anao. ? F.-p.: Mandany andro:manary ny fotoana. / Mandany ron-doha: mampiasa saina am an' eritreritra mafy. ΒΆ M.h.: Tsy mitsitsy, mirobaroba, miredareda, mirodaroda, mitobatoba, manely vory, mamafy katrana, tsy mitsapa ny lany, tsy mitsapa ny farany, "tondraka anio manan-jara", mitahiry an-karon-doa-body, manao tovolahy mahita fotsimbary, tsy mitsinjo vodiandro ho mari-ka, ny azo anio lany anio. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel